photo pprr
Accueil du site > Média > Revue de presse> Anivorano-Est : Zava-bita notokanana

Anivorano-Est : Zava-bita notokanana

Zava-bitan’ny kaominina ambanivohitra Anivorano Est, anatin’ny distrikan’I Brickaville, no nanaovan’ny fitondrana tetezamita fitokanana ny andron’ny sabotsy faha 20 febroary 2010. Ny minisitry ny Fambolena, Jaonina Mamitiana sy ramatoa Nathalie Rabe, minisitry ny Fifandraisana no nisolo tena ny fitondrana foibe nanatontosa izany teny an-toerana niaraka tamin’ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina.

Miisa 6 ireo foto-drafitrasa vitan’ny kaominina ambanivohitra Anivorano Est, niaraka tamin’ireo mpamatsy vola isan-karazany misy eto an-toerana sy ny avy any ivelany. :
- lalana mirefy 17 km mampitohy an’Anivorano Est amin’i Brickaville, niarahan’ny projet Ambatovy tamin’ny fokonolona,
- fanorenana efitrano fianarana ao amin’ny CEG, famatsiam-bola avy amin’ny Royaume de Norvège,
- fananganana trano mirefy 22m x 11m ao amin’ny hopitaly CSB II, famatsiam-bola azo avy any Italie taamin’ny alalan’ny Mompera iray tao an-toerana,
- guichet foncier,
- ivon-toerana fiofanana ho an’ny fikambanm-behivavy, fanampiana avy amin’ny PPRR,
- tranompokonolona mirefy 24m x 14m, niarahan’ireo mpandraharaha isan-karazany sy ny tetikasa Ambatovy nahitana famatsiam-bola ihany koa avy amin’ny fitondrana.

Nambaran-dramatoa ben’ny tanàna Anivorano Est, Ravaomanana Julienne, fa na eo aza ireo, mbola hisy zava-bita miisa 5 hafa ihany koa ho tokanana tsy ho ela, ka mbola miandrandra ny fanampian’ny FAT sy ireo malala-tanana ho amin’izany. Mangataka ny kaominina mba hametrahana lycée vaovao iray ao Anivorano Est fa tsy mbola manana izany ry zareo.

Namporisika ny hanohizan’ity kaominina ity ny ezaka efa natomboka ny minisitry ny fambolena, Jaonina Mamitiana, indrindra eo amin’ny lafiny fambolena, fa lonaka ny tany araka ny anarana Anivorano hany ka masaka tokoa izay rehetra atao sy hapetraka amin’iny fairitra iny. Afaka mirehareha ny distrikan’i Brickaville amin’izao fotoana izao hoy ihany ny minisitra amin’ny famokarana ny katsaka, fa anisan’ny matanjaka amin’izany eto Madagasikara.

(http://www.courrierdemada.com/mg/in...)

Écrit par Zouzouh (Mardi, 23 Février 2010 12:57 )